Haino aman-jery : entanina ireo manana vakoka

Kely sisa dia hisokatra ny “Havoria”, lay fotodrafitrasa maoderina sy goavana, etsy amin’ny foiben’ny Ofisin’ny radio sy fahitalavi-pirenena (ORTM) Anosy. Ankoatra ny “auditorium”, hisy mozea ho an’ny haino aman-jery ao anatin’ity toerana ity. Natao hampirantina ireo vakoka mba hampahafantarana ny tantaran’ny haino aman-jery teto Madagasikara izy io.
Mba hahafeno ny tolotra, efa nisy ny fanangonana izay mety ho vakoka manodidina ny haino aman-jery manerana ny faritra rehetra, tamin’ny alalan’ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mbola entanina ireo olon-tsotra izay manana tahiry toa ny “bande magnétique”, kasety, fandraisam-peo sy sary, sns, ka afaka manome izany ny ORTM. Hanampy betsaka amin’ny fampahafantarana ny tantara ho an’ny taranaka izy ireo.
Tsiahivina fa taorian’ny fandorana nihatra tamin’ny foiben’ny ORTM eo Anosy, ny taona 2009, maro ireo tahiry levona sy tsy hita popoka. Misy kosa anefa ireo olon-tsotra nanana tahiry manokana, ka izy ireny no tena iantefan’ny antso fangatahana fiaraha-miasa.

Zo ny Aina

Partager sur: