Rakotomalala Rivoniaina : « Efa liana amin’ny angon-tahiry ny Malagasy »

Hajia, baiboly, fiarakely, «carte postale», sombin-dahatsoratra… Samy angonin-dRakotomalala Rivoniaina avokoa. Efa nisy ny fampirantiana maro notontosainy tao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Somary nijanona kely izany noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. «Raha tao anatin’ny fotoana maro nanangonako sy nanatanterahako fampirantiana izay, tsapako fa efa liana amin’io ny Malagasy. Efa maro ny fantatro fa manangona karazan-javatra, saingy, misy amin’izy ireo no tsy mahatojo», hoy Rakotomalala Rivoniaina. «Manamafy izany ny amba­ran’ireo olona maro mifanena sy mifankahita amiko. Nahita ilay nataonao aho dia mba nanangona ihany koa», hoy ihany ity mpanangona tahiry ity. Nambarany fa tsy mora ny manangona satria mila mikaroka, mandany fotoana sy vola ary zavatra maro.
Na izany aza, «nandritra ny fotoana nianarako tany ivelany no nahitako ny maha zava-dehibe ny fananana angon-tahiry. Ny an-dry zareo any, ao anatina velaran-toerana midadasika be no hanehoana ny angon-tahiry tokam-pangaro. Ohatra : fiarakodia, boky, zavamaneno… Mino aho fa ho tonga amin’izany koa ny Malagasy any aoriana any», hoy hatrany Rakoto­malala Rivoniaina. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fisian’ny angon-tahiry ny fananana fototra lehibe hanaingana fikarohana. Fahalalana goavana ho an’ny taranaka rahateo ny tahiry.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: