Tsara raha mazava!

 

Ho raikitra ny lalaon’ny Nosy! mazava izy izay. Efa miroso ny fanomanana, efa nanao taratasy fifanekena amin’ny fandraisana anjara avokoa ny firenena rehetra. Nahoraka tokoa omaly ny resaka fa maro anisa ireo firenena tsy mino fa ho vitan’i Madagasikara ny fikarakaraka. Nahoraka ny fanomezana ny tsenan’ny mpandihy ho an’ny vahiny. Asa re fa dia nampisavorovoro sy nampihetsika ny hambompon-dRamalagasy izany! Ny mpanisy « sira » sy ny mpamendrofendro dia nahazo fahafinaretana tsy nisy ohatr’izany.
Tsara anefa raha mazava! tsy takona afenina toa tafika andrefan-tanàna ny fahavononan’i Madagasikara. Tsy misy intsony ny sakana tsy hahavitana izany. Manjaka loatra ny honohono sy ny tsaho. Maro ny mahita volana alohan’i Habib. Takon’ny lainga tsara lahatra ny marina mitavozavoza. Mila mametraka fitokisana sy firaisam-po ny samy Malagasy manoloana ny zava-misy, ankehitriny. Mitady hanjaka ny fanaparitahana vaovao tsy marina, manakorontana saim-bahoaka.
Fotoana fanararaotana ho an’ny ankolafin-kery rehetra sy ny seha-pihariana samihafa ny lalaon’ny Nosy. Mila mahay mitrandraka izany ho loharanom-pahasoavana ny tsirairay. Ankoatra ny firaisankina, mazava ho azy ny tombombarotra amin’ny lafin’ny toekarena, ny sosialy. Mety azo avadika ho fireharehana politika aza rehefa samy hanao azy ihany. Iaraha-mahalala rahateo hoe iza sy iza avy ny mpikarakara. Ry zalahy samy ngeza efa mikendrikendry an’Iavoloha avokoa.
Resaka an-jorony ihany izay, fa ny vahoaka tsivakivolo no tokony hifanome tanana amin’ny fanandratana ny maha Malagasy sy ny hambom-pirenena tena izy. Afaka samy migoka ny tombombarotra azo avy amin’ny fisian’ny lalao avokoa. Firaisan-tsaina sy firaisam-po hany tambiny, ahafahana misitraka izay vokatsoa entin’ny lalao izay.

r.r

Partager sur: