“Mbola hanao rap ve afaka 20 taona?” Fanontaniana efa nipetraka matetika tamin’ny tarika Da Hopp io tamin’izany. Fa mbola ireo ry zalahy… 25 taona nitondrana ny rap gasy an-tsehatra, fa efa nilomano tao anatin’ny hip hop taona maro talohan’izay ry Tax, Ben J ary Jento. Tsy nijanona ary nanohy nametraka ny anarany amin’ny maha mpitarika azy teo amin’ity sehatra ity ny Da Hopp. Porofon’izany, mitohy hatrany ny fiakarana an-tsehatra, araka ny nampahafantarin-dry zalahy, tetsy amin’ny Kudeta Urban Club Anosy, omaly.
“Ato amin’ity toerana ity ny tohin’ny fanamarihana ny 25 taona an-tsehatra, ny 5 aogositra izao. Holalovana an-kira izay fotoana izay, fa homenay ireo hira vaovao koa ny mpankafy”, hoy ny nambaran’i Ben J.
Tsy tena vaovao be ho an’ireo mpiondana ny tarika akory ireo hira ireo… Voarakitra anatin’ny rakikira “Madafaka”, izay navoakan’ny Da Hopp tamin’ny faramparan’ny taona 2022 mantsy izy ireo. Ao anatin’ny fampahafantarana ity vokatra ity rahateo ry Tax sy ny tariny amin’izao fotoana izao. Ireo efa naheno dia nahatsikaritra ny fahamatorana eo amin’ny lafiny mozika, mbola mariky ny traikefa niangona nandritra ny 25 taona ihany: mitondra be ireo mpitendry. Manaraka an’i Tax, Jento ary Ben J eo amin’ny gitara i Ralphe, gitara beso i Manoa, eo amin’ny amponga maroanaka i Antsaly ary i DJ Yatang no mameno azy. Eo ambany fitarihin’i Maximin Njava izany rehetra izany…
Zo ny Aina