Fivoarana amin’ny tsara: mila mivelatra ho tonga mpandraharaha ny mpanakanto

Ny talenta misy, fa hatreo amin’ny fanehoana izany eny an-tsehatra ihany! Saika iharan’io tranga io ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ary ny mpanakanto manao azy. Vitsy ny sahy miroso amin’ny lalindalina kokoa. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny mpanakanto eto an-toerana tafiditra ao anatin’ny fandraharahana amin’ny kanto ataony.
Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fisian’ny rafitra mazava iainan’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy.
Raha ny lamina fahita maneran-tany indrindra fa any amin’ireo firenena heverina fa efa lasa lavitra amin’ny fandraharahana amin’ny kolontsaina. Misy ny mpamokatra (mpanakanto tompon’ny talenta). Manana ny mpikarakara azy izy ireny. Izy io no mikaro-dalana hivelaran’ilay zavakanto, sns. Rafitra iray manontolo no mikirakira sy mikarakara ary manao izay hivelaran’ilay kanto. Tsy misy ny mifangalatra anjara asa satria mifampiankina ny zavatra atao.
Mila mianatra
Tsy tazana any ivelany intsony ny tranga tahaka izao: mpihira sady mpanao dokam-barotra (mametaka petadrindrina…) no mikarakara fahazoan-dalana hiakarana an-tsehatra, no mivarotra tapakila, sns.
Zary manana endrika varoboba ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Izay tian’ireo « mpanera » no tsy maintsy tanterahina. Mba hialana sy hisorohana ny tranga tahaka izany, mila mianatra ny mpanakanto. Tokony hahay ny farafahakeliny amin’ny tontolon’ny fandraharahana izy ireo. Iray amin’ireny, ohatra, ny lalana mifehy ny kanto ataony. Ny ezaka tokony hataony manoloana ny fahaizan’ny isam-batan’olona. Iana­rana ny teny vahiny ahafahana mifandray sy manaraka tsara ny tena zava-misy marina iainan’ilay zavakanto. Tahaka izany koa ny fitantanana ny asa atao.
Tsy mbola omen’ny ankamaroan’ny mpanakanto malagasy lan­ja loatra anefa ny fianarana tahaka izany. Matetika, ny fandrangarangana ny fananana talenta no nimasoan’izy ireo hatramin’izay. … Saingy, ankehitriny, saron-javatra hafa tahaka ny vola sy ny dokam-barotra ny talenta. Fanisatra iray tsy mampateza ny zavakanto malagasy anefa io. Ny zava-mandalo tsy ho tonga any amin’ny fandraharahana matotra !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: