Hofaranana, rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza ny taom-piasana 2022 – 2023. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana fizarana voalohany ny fanolorana ny loka tamin’ny fifaninanana famoronana sorakanto nampanaovin’ny Foibe momba ny teny, an’ny Akademia Malagasy, nandritra ny « Iray volan’ny teny malagasy ».
Hitazona ny ampaham-potoana faharoa ny seho randrambalo miompana amin’ny lohahevitra « Ny lamba ». Ankolafy maro no handray anjara amin’izany. « Musée de la photo » hiompana amin’ny « Indray mielatra an-tsary amin’ny tantaran’ny lamba. « Ny hakanto sy ny hevitry ny lambaoany », hiarahana amin’ny Rasoarifetra Bako. Vakodrazana « Tany malaza », « Iarivo », miaraka amin’ny Benja Gasy. Hihira ny « Ny lamba malagasy » sy ny « Tovovavy malagasy », « Zavavy », ny tarika Tafasiry kolo kanto. Hiantsa ny tononkalo « Asampiko » sy ny « Le lamba » ny mpikambana Havatsà-Upem, raha ny « Ny lambako » ny an’ny Faribolana Sandratra.
HaRy Razafindrakoto