«Festival Temps Fort Danse»: hiavaka ny hetsika na andiany voalohany aza

Hotanterahina manomboka ny 30 aogositra hatramin’ny 16 septambra 2023, eny amin’ny Institut Française de Madagascar (IFM) Analakely, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany voalohany. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy ity hotanterahina ity. Vondrona sy mpandihy manana ny maha izy azy maro eto Madagasikara no haneho ny fahaiza-manaony sy ny talentany, mandritra ny tapa-bolana mahery.
Ny Madagascar Danse Debout no hanokatra ny sehatra. Hifandimby sehatra aminy amin’izany ny Compagnie An­jo­rombala, Lovatiana, Yvann Alexandre, Up the Rap. Eo koa ny tetikasa «Dihy», izay handrafitra ny fandaharam-potoana amin’io andro io.
Ny karazana dihy “Hip hop” sy ny dihy ankehitriny no ho hita mandritra ny “festival Temps Fort Danse”. Tanjona ny hanatanteraka seho miavaka sy tsy manam-paharoa ho an’ny mpankafy sy mpiangaly ny dihy eto Madagasikara.
Ankoatran’ny dihy, maro ny haikanto handravaka ny “Fes­tival Temps Fort Danse”, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Anisan’izany ny fandraisan’anjaran’i Naty Kaly, mpanao sary amin’ny rindrina.

Lin M.

Partager sur: