Aretina iray, mikiky ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny, ny fifanavakavahana amin’ny endriny rehetra. Mbola maro ny olona mivoy fiaviana sy firazanana ary saranga. Toe-javatra mampalahelo, satria zary vato misakana ny fampandrosoana amin’ny lafiny maro. Anisan’ny lohahevitra iray horesahintsika anio ny mikasika ireo sokajin’olom-bitsy sy marefo. Amin’izao taonjato faha-XXI izao, mbola misy mahasahy mivoy fa misy ny ambony, misy ny ambany. Misy ny tompon’ny hery, misy ny natao hizaka ny tsindry hazo lena.
Maro ny antony izay tsy voafehin’ny olona na vondron’olona tsirairay. Mainka manome vahana ny fanomezan-danja ny lafiny materialy, miankina amin’ny vola sy ny fahefana. Zary mandeha ho azy ny fizahozahoana sy fanaovana tsindrio fa lavo. Iaraha-mahalala rahateo fa anisan’ny firenena ahitana taratra ny lavaka mangitsokitsoka amin’ny mahantra sy ny mpanefohefo i Madagasikara. Very an-javony ho azy teo ny kilasy salantsalany. Tsy mahagaga raha hoe maherin’ny 80 % ny Malagasy no mahantra fadiranovana, hoy ny Banky iraisam-pirenena. Zara raha misy ny mbola manam-panahy ka hikatsaka ny tombontsoan’ny besinimaro. Ny an’ny sasany, izay efa hita fa olom-bitsy, saingy manampahefana, tsy mikatsaka afa-tsy hampitombo ny eo am-pelatanany. Ny mpanao politika sy ny mpandraharaha, mitady ny fomba rehetra hahazoana tombony mihoatra lavitra izay kinendry, kanefa tsy mampihena ny fandaniany.
Ankoatra ireo, iaraha-mahita ny fitrandrahana olona amin’ny samy olona. Na eny anivon’ny tokantrano sy ny fiarahamonina, mahavariana ny mahita fa maro ny mpiasa mandray karama vary masaka ara-bakiteny. Ny hohanina anio aza mbola tadiavina rahampitso. Zary tandra vadin-koditra ny trosa. Miezaka ihany fa tsy afa-bela. Toe-javamisy, mahalasa saina no manohina ny fo izany, indrindra fa amin’ny firenena tahaka antsika, izay mba manasongadina ny fanahy. Takona tanteraka ny fototra mahaolombelona.
Azo lazaina fa mikiky andro aman’alina ny samy Malagasy ny fambolena fifankahalana anaty fahasamihafana, raha noheverina ho harena izany hatrizay. Sarotra ny raharaha satria mivadika ho fomba fiainana izay samy maka ho azy izay. Ireo noheverina fa tsy mety no nanjary fanao mahazatra, ankasitrahan’ny sarambabem-bahoaka. Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra, saingy ilana olona malala-tsaina sy manam-piniavana ahasahy hiala amin’ny ratsy, satria iray ihany isika mianakavy.
r.r