Fanovana sy fiovana

 

Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra ny sasany ihany ny amin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firo­tsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy misy Mala­gasy hahita sy hanana an’izany. Tsy mahafa-bela ny fano­herana izay mitranga sy atao rehetra? Na tsy mety ho kolontsaina ny fankatoavana sy fanajana avy hatrany ny didy aman-dalàna, tsy mety handeha ho azy… Nahoana? Mibahan-toerana hatrany ny politika. Asiana antony sy dikany ary vokany politika avokoa tsinona ny zava-drehetra.
Ny manahirana, ireo hoe be politika amin’ny kajikajy sy paipaika no tena mampiaka-peo. Tsy mahalala afa-tsy ny tenany sy paosy ialan’izay anto-bola izay? Nefa hoe mpanao politika, mahay sy be politika… Tsy tokony ho tombondahiny hoe matihanina amin’ny politika ve ny raharaha? Tsy iza fa izay voavolavola sy avy amin’ny antoko politika. Tsy olana, ohatra, izay 200 tapitrisa Ar, raha manana na mahita olona iray tapitrisa ny antoko iray ka samy mandrotsaka 200 Ar. Tsy mety hisy na tsy azo tanterahina ve izany? Manginy fotsiny ny fisian’ny mpanohana.
Izay no maha zava-dehibe ny hevitra fa tsy vola. Izay mirotsa-kofidina no hanangonam-bola hanohanana azy, fa tsy hizara vola. Mila mazava sy maharesy lahatra izay mirotsa-kofidina: iza, hanao inona, ho aiza? Eo ny foto-kevitra, ny vinam-piarahamonina, ny fandaharanasa… Hisy hanohana ve izay mitsapatsapa, kitoatoa, mpika­rama an’ady politika… ? Azo heverina amin’izay aza ny fitambaran’izay mitovitovy fijery, rehefa tsy mahazaka izay vola enti-mihetsika. Ny hevitra amin’izay no hiadiana fa tsy vola.
Tsy ny tsy manan-kevitra ve no mitaraina amin’ny tsy fisian’ny vola? Mba hisy fanovana sy fiovana miandalana amin’izay ny fomba fanaovana politika. Ho hita eo… Ny ataon’ny tsirairay ihany no antony.

R. Nd.

Partager sur: