Nampitahorina, dia natahotra. Nasaina nino, dia nino. Nampanantenaina, dia nanantena… Nivandravandra ny tranga tahaka ireo, nanomboka ny taona 1896. Tsy mivavaka raha tsy mankany am-piangonana. Izay tsy manaraka ilay « didy » nentin’ny vahiny, dia any amin’ny « afobe ». Niova tsikelikely Ramalagasy. Nipararetra nanoloana ny « zavatra » tsy fantany akory… Nanaraka ho azy ireo taranaka taty aoriana.
Very tsikelikely nanaraka izany ny hasina nananan’ny Malagasy hany ka mora ho an’ny vazaha no nanao taingim-bozona azy. Tsy afa-nikofoka satria nozarina nanao « oui mse ». Novidian’ny vazaha vola sy notakalozany zavatra hafa ilay fanahy maha olona nananan’ny Malagasy ka tonga narivo salosana!
Mbola misy sy ahiana hitombo isa ireo Malagasy milaza sy ambaran’ny fiarahamonina fa « mivavaka » (satria tazany mankany am-piangonana), kanefa tsy mataho-tody, satria, na io « tody » io aza tsy fantany akory. Niompana any amin’ny endrika ivelany sisa ny fahalalan’ny Malagasy an’Ilay Nahary. Tsy hainy sy tsy iainany intsony ny « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha ». Tsy miaina ny maha izy azy fa variana sy lany fotoana maka tahaka be fahatany an-dry zareo, saika amin’ny lafiny rehetra mihitsy…
Na eo aza ny kajikajy atao etsy sy eroa (politika, toekarena…), matoa mbola difotra ao anaty fahantrana lalina tahaka izao i Madagasikara sy ny Malagasy, tsy ireo irery no mahatonga izany. Faharoa, tsy mahavaha olana irery ireo. Raha mbola tsy miverina amin’ny kolontsainy, ny fomba amam-panaony, ny teniny, ny taniny, sns, ny Malagasy, ho kilalaom-bazaha eto hatrany !
HaRy Razafindrakoto




