Am-bava homana !

 

Mandeha tsara, manaraka ny tetiandro ny savaranonando amin’ny fampielezan-kevitra. Efa eny an-kianja avokoa ny kandidà efa nanambara ampahibemaso ny maha kandidà azy. Toraka izany ny mpanohana aty an-drenivohitra sy ireo nafarana avy any ampita. Samy manana ny paikadiny fa ny itovizany dia mikendry ny tanora, andaniny. Milalao ny faharefoan’ny Malagasy, ankilany.
Azo lazaina fa mandeha sahady ny varotra am-pitsanganana ataon’ireto mpilalao politika. Ny goaika antitra sy ny galifantsy, mifamotika sy mifanaratsy. Ireo milaza ho olom-baovao sy tanora dia mihevitra ilay Malagasy fa « bado », milalao teny hoenti-mivarotra ny ankamaroany. Raha zohina akaiky, tsy misy maha samy hafa azy ireny.
Ny tena zava-doza, misimisy ihany ireto mitonona ho mpandimby, milaza fa tanora, manambara ho olom-baovao, sady tsy manana fototra politika no tsy manana fandaharanasa. Tsy gaga isika raha anisan’ny heverin’ny sasany fa ho tanjaka ny fiaviany. Zary ireharehany ny volabe izay tsy ho afafy amin’ny rivotra velively fa hoenti-mitady tombony. Mibaribary fa misy ampahany, tsy mivonona hitondra firenena fa hizara vato sy mikajikajy toerana hafa aorian’ny fifidianana. Tsy azo lavina ny voakarama hizara vato fotsiny ihany.
Inona moa izany no hafatra hifamarafarana amin’ny famakafakana ? Miankina amin’ny fahendren’ny Malagasy tsirairay ny hoavin’ilay firenena. Tsy ny mpanao politika velively no hametraka an’i Madagasikara amin’ny toerana mendrika azy. Am-bava homana, am-po mieritra!

r.r

Partager sur: