Fifaninanana… masirasira !

 

Aleo tara toy izay tsy misy, hoy ny fiteny mahazatra an-dRamalagasy sy ny moramorany. Tsy takona hafenina toa vay an-kandrina ny toetra mpanao alasafay anaty fikoropahana. Raikitra ny fanamboaran-dalana. Mandeha ny fambolena voninkazo eny amin’ny zaridaina. Tsy misy ny maharatsy azy satria iza no tsy te hiaina miaraka amin’ny tanàna madio sy mahafinaritra, ary mandroso noho ny hatsaran’ny lalana? Mitsiriritra ny tanàn-dehibe hafa any ivelany aza no atao.
Tsy sanatrian-dresaka volo mpanoha-randrana raha hiresaka kely momba izany anio. Antony, misy ny tetikasa « mpiatsaravelatsihy » fotsiny. Manenjika ny lalaon’ny Nosy sy hampandriana adrisa amin’ny vahiny. Tsy mifanindran-dalana ny lamina eo amin’ny samy mpiantsehatra, raha ho an’ny eto an-drenivohitra manokana. Toa samy mihazakazaka miseho ho tomponandraikitra avokoa satria handray vazaha. Lasa fifaninanana masina… masirasira. Tsy ny asa vita no hifampitsarana fa ny fisehosehoana no lasa aloha.
Maninona no miresaka izany isika? Zary miteraka fimenomenomana amin’ny sarambabem-bahoaka izay tsy firindran’asa izay. Maro ny tranga miseho toy ny fanamboaran-dalana mifanindry amin’ny fotoana tokony hakana ny fako. Misy sehatra iray tsy maintsy mandefitra kanefa azo alamina tsara. Lasibatra ny mpampiasa lalana. Tsy vitan’ny tapaka ny zotra handehanana fa voasembatsemban’ny fako mivangongo. Tsy hita ny homen-tsiny satria manontolo lehibe iray ny fitondram-panjakana. Maro ny singa mandrafitra azy, raha vao misy mandringa dia mirodana na mikatso ny zava-drehetra.
Tsara ny hambom-po takin’ny filàna. Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra, tsy misy maharatsy izany. Ny indrokely, tsy tokony ho baikoin’ny toe-java-misy fa asa maharitra, mamaly ny filàn’ny Malagasy izany.

r.r

Partager sur: