Vaovao nahoraka maneran-tany ny fisamborana ny talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika malagasy, ny alakamisy 10 aogositra, tany Londres. Ahiahina ho nanao kolikoly izy sy ny namany. Miandry ny fotoam-pitsarana any am-ponja hatramin’ny 8 septambra. Afa-baraka tanteraka ilay firenena malagasy. Nihazakazaka namoaka ny vaovao ny ankamaroan’ny gazety vahiny, amin’ny fiteny isan-karazany. Volabe 1 250 000 000 Ariary no resaka.
Mifanidran-dalana amin’izay, mihazakazaka ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Efa voaroaka tamin’ny asany sahady ramatoa talen’ny kabinetra. Manao angaredona manilika azy ny mpiara-mitondra aminy. Mihazakazaka manavo-tena sy mitady ny fomba hiarovana ny Filoham-pirenena ny mpiara-miasa aminy. Hatramin’izao mantsy voalaza fa nandeha tsy nampahafantatra ny diany tany ivelany ramatoa tale.
Fomba fiasa mampametra-panontaniana ihany, satria tsy misy mpiasa ho sahy handingana ny mpampiasa azy izany na vakansy aza. Toerana stratejika sy ain-dehiben’ny firenena rahateo no tanany. Tsy hiadian-kevitra fa efa very any ramatoa tale. Nandao azy ny namany. Miezaka manadio tena sy mitady ny fomba tsy ahavoasaringotra azy ny aty an-tanàna. Iaraha-mahalala anefa fa anaran’olona maromaro no voantonontonona any Londres, izay olona akaiky ny Filoha avokoa.
Mampanahy ny zava-miseho satria tsy mbola fantatra akory ny tena marina. Miandry ny fitsarana dia efa nadio ny rano nitana ho an’ny mpanohana fitondrana. Faly sy mipi-kelika ny ankamaroan’ny mpisolelaka fitondrana. Antony: anisan’ny vehivavy tsy nanaiky notsindrian-dry mihevitra ho tompom-pahefana izy tao an-dapa. Ny tena marina, maloto ny tontolo politika eto Madagasikara. Matetika miray saina rehefa hanao ratsy, fa mifanilika rehefa kenda ny voamanga niaraha-nanesika.
r.r