Tena anatin’ny hazakazaka ho eny amin’ny Lapan’ Iavoloha tanteraka ny mpifaninana politika ankehitriny. Efa tafakatra valo ny nahavita fanambarana fa hilatsaka ho fidina. Mbola maromaro ireo tsy nilaza mazava ny hasian’ny tongony na hiroso na hihemotra. Misy ny any anatin’ny ady savaranonando sy ny paikady hoenti-mandrombaka ny amboara. Tsy misy bedy, tsy misy manakana fa lalana tsy maintsy hizorana avokoa izany hoenti-mandresy
Mizara sokajy maromaro ny kandidà. Efa mipoipoitra tsikelikely ny mpizara vato. Mamita iraka ho an’ny kandidà izatsy na izaroa. Hita soritra ny mba manam-piniavana, mitady hirika ny hanehoana fitiavan-tanindrazana. Mibaribary toa vay an-kandrina ny mpitady tombontsoa manokana. Fa ny tena zava-doza, miseholany koa ny soavalim-bazaha. Tsy resaka zom-pirenena, na resaka vadim-bazaha fa ilay ketriketrika hafahafa ho an’ny tombontsoam-pirenena vahiny sy ho an’ny vahiny mpandraharaha.
Ankoatra izany, maro ny mpanao politika mbola manao ankamantatra, eny fa na ny filohan’ny Repoblika am-perinasa aza. Tsy hisy anefa ny fahagagana ratsy ho an’ny mpanohana azy, efa mandeha ny resaka fa anisan’ny hanohy ny asa vitany izy. Torak’izany ny mangamanga sy ny mavomavo ary ny menamena fa ho anisan’ny mpifaninana avokoa izy ireny, na tsy mbola nanambara ampahibemaso aza. Raha ny fantatra, efa samy mametraka ny fepetrany any ambadika ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsy misy an-kivakiloha amin’izay vokatra 1% na 2%. Ny fandraisana anjara rahateo no zava-dehibe ho an’ny sasany. Sitrany ahay mahazo toerana rahatrizay manohana ny henjana.
Samy miandry ny andro malaza izany, fa ny vahoaka ihany no ho tompon’ny teny farany !
r.r