Mafana ny tanàna

 

Mafana, mafana! Ny eto an-tanàna. Mangotrakotraka ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Efa somebiseby ny isam-paritra mandray ny afo Olympika. Anio fety be ao an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony. Miakatra tsikelikely izany hamonjy an’Antananarivo izay hihanoka fety sy fifaninana isan-karazany. Ho ambohipihaonan’ny vahiny avy any ivelany sy avy ato anatiny.

Mafana ihany koa ny tontolo politika. Ho avy tsy ho ela eto Madagasikara ny mpanao famotorana mahakasika ilay kolikoly avo lenta any Londres, renivohitra anglisy. Mbola migadra any an-toerana rahateo Rtoa talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, miandry ny fotoam-pitsarana, ny 8 septambra. Tsy nahahenjana ny henjana ny anglisy. Mainka nandetika azy ny fialana ilany nataon’ny mpiara-miasa aminy. May tanteraka Ramatoa.

Mafana ny tontolon’ny fampianarana. Mihenahena sy hifamilafilana ny valim-panadinana bakalorea eto an-drenivohitra. Mitokona tsy mety hampianatra ny eny amin’ny Anjerimanontolo. Maro ny ankizy tsy manao fanadinana amin’ny sampam-pampianarana samihafa. Mimeno­menona, malahelo ny mpianatra kanefa tsy manam-pidiny. Tratran’ny tian-kano tsy tian-kano..

Mahamay ny tanàna saingy tsy maintsy miaritra. Soa fa fialana sasatra ny fotoana. Adinodino ny olam-piainana.

r.r

Partager sur: