Ny fahantrana mahazaka maniraka? Mby an-tsaina ho azy amin’izany ny hoe anisan’ny mahatonga ny olona hanaotao foana ny fahantrana. Nefa eo koa ny fitiavan-tena, ny fitia te hanambe haingana sy tampoka. Izany no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa amin’izao? Misy tonga amin’ny famonoana tsy ahoan-tsy ahoana, fakana ankeriny, fanapahan-doha… Tsy mifidy toerana, na anton-javatra, na olona… Zava-tsy inona, ohatra, mety amoizana aina. Eny, na ny ady lova aza, ifamonoan’ny mpiray fasana tsy mifandevi-maty.
Vitan’ny fampiasan-kery ve izany? Na fitsarana, fampiharan-dalàna, fanasaziana… Efa ela izay no natao, saingy mirongatra be ny tsy fandriampahalemana amin’izao… Misy milaza fa anisan’ny antony fototra sy fositra ny sosialim-bahoaka. Izay ilay hoe fipoahana na korontana sosialy. Misy aza mpanao politika vaky vava fa fanakorontanana politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao… Mba marina? Na tsy hita marina izay antony… Na ahoana na ahoana, mila lamina hatrany ifotony ny raharaha. Andrasana ny fampiharana sy ny vokatry ny atrikasa iraisam-paritra natao tany Menabe farany teo.
Tsy mandeha ila ny fampanjakana fandriampahalemana. Mifaningotra aminy ny lafiny sosialy, toekarena, politika… Mby aiza? Na ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka ifotony sy mpitondra isan’ambaratonga ihany aza, ohatra, na ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-monina… Mila alamina sy lamina: tsy vono afo na vono lolo, tsy famonjena tavan’andro na tavan’olona hoe ho avy ny fifidianana. Tsy tanjona tratrarina ny fandriampahalemana, fa fiainana isan’andro enti-miaina sy enti-miasa. Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy filaminana, fa tsy misy filaminana koa raha tsy misy fampandrosoana. Eo ny vahoaka mitsara izay iainany…
R. Nd.