Tsy mitsanga-menatra !

 

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy. Manana 10 andro hihanohana anaty fifaninanana sy fety ny mpilalao sy ireo mpahay kanto ary indrindra ny mpijery. Fotoana hanehoan’ny mpandray anjara rehetra ny maha izy azy sy ny talenta ananany izao. Manamarika ny tantaram-piainan’izy ireo satria eo no handrefesana ny fahaiza-manao, hahalalana ny fetran’ny tena, ary indrindra ahafahana manao tombana ny lasa sy mibanjina ny ho avy.
Tsy ho an’ny mpanakanto sy ny mpanao fanatanjahantena samirery. Fanamby goavana ho an’ny mpampiantrano ihany koa. Tsy misy ny tonga lafatra saingy zava-dehibe ny ezaka natao. Tsy mitsanga- menatra ny Malagasy hatramin’izao. Ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso rahateo tsy miala lavitra amin’ny fotoana tahaka izao. Hipi-kelika aza hatao ka mainka mahita hirika hitsikerana. Ilay fifampiandrasana kendry tohina tsy miala amin-dRamalagasy hatrizay.
Mila fisainana miabo ny famakiana ny fivoaran’ny raharaha ankehitriny eto Madagasikara. Misy lesona maro isan-karazany azo raisina ka hoenti-miaina sy mitondra tena ho an’ny tsirairay ny tahaka izao. Marobe no tsy nino fa hahavita hampiantrano ny lalaon’ny Nosy i Madagasikara kanefa rehefa misy ny finiavana tsy maintsy tratra ny tanjona. Tahaka izany, rehefa samy resy lahatra sy miray saina ny mpiantsehatra rehetra dia mandeha ho azy ny zava-drehetra. Izay noheverina ho sakana aza dia miravona ho azy.
Fomba fisainana iray tena ilain’ny Malagasy izay fifikirana amin’ny tanjona sy zotra nosafidina izay. Tsy tokony hisy ny manary toky fahatany fa tsy maintsy mijoro raha mbola manana herijika sy hery na kely fotsiny aza. Zava-dehibe sy antoky ny fahombiazana ny fitazomana ny teny natao. Sady voninahitra no fahafaham-po ho an’ny mpikarakara izany.
Raha fehezina, vao manomboka ny lalaon’ny Nosy efa hita taratra sahady ny laza tsara ho an’i Madagasi­kara noho ny fahombiazana teo amin’ny fikarakarana!

r.r

Partager sur: