Madinika mandinika

 

Ao anatin’ny fifidianana tanteraka izao; eny, na eo aza ny tsikera etsy sy eroa, na fanaratsiana, fanakiviana. Toy ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy io? Tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha. Amin’izao, eo hatrany ny fampitahorana ny mety hisian’ny korontana politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Ny tena ihany no antony na ny tsirairay mitambatra? Na izany aza, man­deha ny fandresen-dahatra sy fambaboana mpifidy. Na ankolaka na mivantana io. Na ho ela na ho haingana, fifidianana ihany no tsy maintsy akana fahefam-panjakana. Izay no hoe farany.
Amin’izany, mandeha avokoa izao karazana paipaika sy kajikajy rehetra izao. Anisan’ny nahabe resaka tato ho ato, ohatra, ny fanakanana ny firotsahan-kofidin’ny kandidà itsy na iroa. Hanao ahoana? Ho hita eo…. Heverina ho efa mahazatra sy mandeha ho azy kosa ny fanambazana vahoaka amin’ny fifidianana toy izao: fizarana “tee-shirt” sy kasikety, ohatra, fanolorana rindrankira, fanomezana vola… Taiza izany rehetra izany no tsy natao hatramin’izay, raha misy ihany ny enti-mihetsika? Izay no fijerin’ny mpanatsotra resaka, leon’ny afitsoky ny mpanao politika sasany.
Ny fahantram-bahoaka no antony sy fototr’izany rehetra izany. Misy ho azo amin’izany karazana fanambazana izany ve raha manana eo an-tanana? Amin’ny fifidianana toy izao vao tena tsaroana ny vahoaka: jerena akaiky, tambazana an’itsy na iroa… Vato amin’ny fifidianana no takalony. Atao fitaovana amin’izany ny hoe madinika: tsy misy mpijery, hadino… Hitondra fiovana sy fanovana ve ny fifidianana? Ny madinika no mila mandinika, tsy ho fitaovana politika lava, potika na simba. Manomboka amin’ny tena ny fiovana, raha tiana hiova izay ampindramana fahefana.

R. Nd.

Partager sur: