« Festival Karitaka 2023» : andiany faha-13 ny hetsika

Tontosaina any Ranohira, nanomboka ny 29 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 2 septambra 2023, ny “Festival Karitaka 2023”, andiany faha-13. Araka izany anarany izany, ny “Karitaky” no tena hisongadina amin’ity hetsika lehibe ity. Ahitana seho ara-kolontsaina sy zava-kanto maro mampiavaka iny faritra Atsimo iny koa ny hetsika. Ankoatr’ ireo, hisy ny fifaninana ara-kolontsaina sy fanatanjahantena.
Tonga indray ny fotoana lehibe. Diabe namakivaky ny tanànan’i Ranohira no nentina nanokatra ny “Festival Karita­ka”, narahin’ny fampisehoana niaraka tamin’ny tarika D’Gary. Ny Karitaky, Sery Tomboky, Belamaky. Ireo karazana dihy ireo no tena hisongadina mandritra ny hetsika. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fampirantiana sy ny atrikasa ary ny fifanakalozana ara-kolontsaina.
Ankoatra ny fifaninana ara-java-kanto sy kolontsaina. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny “Course sarety”, ny Tora-defo, Ringa, izay fifaninanana ara-panatanjahantena mampiavaka ny “Festival Karitaky”.

Lin

Partager sur: