Kapa-ranjo

 

Ambiansy re izao ! fahafinaretana sy hafalina tsy nisy ohatr’izany ny an’ny vahoaka malagasy, omaly, teny Maha­masina. Niady ny lalao baolina kitra teo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Comores. Nafana ara-bakiteny satria tsy nisy ankitsitsitsitsy izany. An-kamely sy kapakapa ranjo no nandravaka ny baolina enina, fitambaran’ny matin’ny ekipa roa tonta. Mana­marina izany ny karatra mavo miisa efatra sy ny fampitandremana am-bava maromaro nataon’ny mpitsara.
Tsy eny ambony kianja filalaovam-baolina ihany ity kapa-ranjo ity. Iarahan’ny rehetra miaina ankehitriny ny an-kasomparana sy fingana ataon’ny mpanao politika. Tsy mifidy antoko, tsy mijery sokajim-pahalalana sy fahefana fa samy manao izay danin’ny kibony. Ny mahasamihafa ny taranjam-panatanjahantena sy ny politika. Ity farany dia hanjakan’ny tompon’ny vola sy ny hery. Tsy misy ny « fair-play » ka hifandefindefitra sy hifanaja izany eo. Manjaka ny fifandrangitana sy ny fifampihantsiana, arahina herisetra am-bava sy ara-tsaina.
Mila mitandrina ny mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolo politika. Saropady sy hanahirana ny fitantanana ny fifaminganana sy fifamotehana amin’izao vanim-potoana izao. Marefo ny toe-javamisy sy ny raharaham-pirenena. Tsy fitandremana kely dia mampirehitra ny afon’ny korontana sy ny « sanatrian’ny vava ho fifamonoana ». Efa hita sy iaraha-miaina rahateo ny fivoaran’ny jeopolitika maneran-tany, indrindra ny aty Afrika. Mihazakazaka sy tsy am­poizina ny zava-miseho. Milalao maloto sy manao tsindry sadasada rahateo ny firenen-dehibe.
Tsy afaka ny mandrimandry manana aretina ny Malagasy tsivakivolo. Tsy maintsy mijery ny lafin-javatra roa. Tsy tokony hihinana am-bolony fa tsy maintsy mahay mamakafaka sy misoroka izay azo sorohina.

r.r

Partager sur: