Nanambara ny haha kandidà azy ho filoham-pirenena koa Raobelina Andry, miaraka amin’ny antoko Anjomara rivo-baovao (ARB). Mpilatsaka hofidina faha-15 izany izao izy.
Nambarany tamin’izao filankevitra nasionalin’ izy ireo izao fa tsy afaka ny mbola hizaka 5 taona manaraka ao anatin’ny fifandroritana politika, miteraka fihemorana toy izao ny firenena. “Tsy maintsy hotsarain’ ny tantara isika. Fahadisoana lehibe eo anatrehan’ny tantara ny mijanona na miaritra fotsiny ao anatin’ny sangodimpanina politika. Nampitombo ny fahantrana sy nampihemotra ny 20 taona voalohany. Potika ny firenena ka tonga ny fotoana tsy maintsy hanaovana safidy hitondra ilay rivo-baovao”, hoy izy. Notsiahiviny fa mba nanantena avokoa isika ka tsy maintsy mandeha lalam-baovao.
Anisan’ny nahatonga azy nanapa-kevitra ny fahenoana ny hiakiaka sy antso vonjin’ny vahoaka. Nahatsapa ny fahatokisana sy ny fanantenana napetrakareo tamiko izany ka nanehoako fa hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena, araka ny nambarany. “Voaraiko ny hafatra avy amin’ny vahoaka malagasy hoe ny tena Malagasy no vahaolana ho an’i Madagasikara. Mpitondra malagasy manana fo sy misaina toy ny Malagasy eto an-tanindrazana”, hoy izy.
Famerenan-kasina an’i Madagasikara
Hijoro ary hiaraka isika hifampitantana. Hiara-kanatanteraka ilay “Diarim-pampandrosoana iombonana nasionaly – Dina”. Niainga teny ifotony ary niarahana namolavola tamin’ireo tantsaha sy nihainoana ny sehatra toekarena ary hifamatorana sy hifampitondrana iarahana manatanteraka izany, araka ny nambarany. Naneho fahavononana hihaino ireo efa nitantana sy handray ny lesona tsara avy amin’izy ireo ny tenany. Ohatra, Ravalomanana sy Rajaonarimampianina… “Mila ny famerenan-kasina i Madagasikara”, hoy izy.
Synèse R.