Misaona ny tontolo politika : nodimandry Andrianarivo Tantely

Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-69 taonany, ny Prai­ministra teo aloha, Andrianarivo Gabrio Tantely. Efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ny tenany fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka Didier. Teo ny naha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy, teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny 2002, nianjeran’ny fitondrana sosialista sy ny Arema. Nialoha izany ny naha minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola azy fony governemanta Rakotomavo Pascal, ny taona 1997.

Synèse R.

Partager sur: