Nambaran’ny filoha nasioalin’ity antoko ity, Andrianainarivelo Hajo fa tokony hiverina anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny fahamarinana amin’ny fanomanana ny fifidianana ireo Andrimpanjakana sy rafitra samihafa. “Be loatra ny tsy fanarahan-dalàna ary mbola mitohy hatramin’izao ka tokony hojerena izany ahazoana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra”, hoy izy tamin’ny fihaonambem-pirenena, nokarakarain’ ny FFKM, teny Mandriamena. Anisan’izany ny hampidiran’ny Ceni ireo tsy mbola anaty lisi-pifidianana. Efa nikatona ny 20 jolay lasa teo ny lisitry ny mpifidy, taorian’ny fanemorana hatrany.
Fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka
Nohamafisin’ity kandidà ho filoham-pirenena ity fa tsy misy tahotra amin’ny hanatanterahana ny fifidianana ny fanatsikafonana ny tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ny Ceni. Tanjona ny ahazoana fifidianana madio sy mangarahara. Niompana amin’izany fanatsarana ny fanomanana ny fifidianana ny soso-kevitr’ireo antoko nanoloana ny FFKM.
Na izany aza anefa, teo ihany koa ny momba ireo sehatra maro anisan’ny tena marary ny fiarahamonina. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny fampiakarana ny fari-piainana ka nitondran’ny MMM soso-kevitra. “Tsy mijanona eo amin’ny fifidianana ny fiainam-bahoaka ka tokony hojerena maika avokoa izany”, hoy izy.
Synèse R.