Niara-nidinika ny fandrosoan’ny asa voarakitra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny ady atao amin’ ny fampanambadiana ankizy eto Madagasikara ny delegasionin’ny firaisambe Afrikanina sy ireo mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny ankizy. Tanjona ny hanamafy orina ny fanatanterahana ny asa voafaritra ao anatin’ny paikady.
Manaraka fihofanana momba ny ady amin’ny herisetra sy fandraisana an-tanana atao amin’ireo ankizy manana fahasembanana. Ny tambajotra mpiantsehatra ho an’ireo miaro ny ankizy ao Manakara. Tetikasam-panjakana, vatsian’ny UNICEF vola, tanterahana miaraka amin’ny HI.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampidirana vokatra vaovao amin’ny fandaminana anatiny ny tetibola ampiasain’ny minisitera. Momba ny fanorenana sy fanatsarana fotodrafitrasam-pahasalamana, hividiana fitaovana ary hampandehanana ny tobim-pahasalamana ny vokatra vaovao.
Ho fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, nanatanteraka ny andron’ny pedagojia ny fari-piadidiam-pampianarana manerana ireo faritra 23 eto Madagasikara. Niompana indrindra tamin’ny paikady fampianarana ny taranja matematika ny fihaonana ary nanotrona sy nanara-maso izany ireo tomponandraikitra isany avy.