Mpianatry ny oniversite roa vavy nanamparan’ny dimy lahy ny filan-dratsiny tao Toamasina. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Voaambana antsy sady naolana ny mpianatra roa vavy avy ao amin’ny oniversite Barikadimy, tao amin’ny moron-dranomasina ambadiky ny arabe Ratsimilaho, ny 27 aogositra teo. Avy nanao fanadinana izy roa vavy. Nifampitarika teny amoron-dranomasina haka rivodrivotra tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Nandalo tampoka anefa ny dimy lahy izay tsy fantatr’izy ireo. Nihevitra ireo mpianatra roa vavy fa tahaka ny lehilahy rehetra hikotikoty ka tsy nahataitra azy ireo. Tampoka, namoaka antsy ireo dimy lahy. Nanambana azy roa vavy. Tsy nisy alaharo, nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ireo mpianatra roa avy hatrany ireo olon-dratsy. Tsy afa-namaly noho ny tahotra ireo roa vavy ka niaritra ny fampijaliana. Poa toy izay, nalain’ny mpanolana koa ny finday sy ny poketra teny amin’ireo lasibatra.
Mitaintaina mafy noho ny fanolanana nahazo azy ireo roa vavy sy hifanehatra indray amin’ireo tsy mataho-tody. Nanatona mpitandro filaminana ireto farany. Mikaroka ireo nahavanon-doza ny tomponandraikitra ao an-toerana. Etsy ankilany, manaraka fitsaboana ireo niharan’ny fanolanana ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Sajo