Depiote IRD 111 : Mangataka ny filoha Rajoelina ho kandidà

Isan’andro ary ny sehatra rehetra. Tohivakana ny antso sy fangatahana ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ireo depiote miisa 111 sy ireo loholona miisa 16.

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben-toerany, etsy Ivandry, ireo depiote IRD miisa 111, sy ny tsy miankina GPR ary ireo loholona miisa 16, omaly. Nahatsapa izy ireo fa tokony hotohizana ny ezaka efa natao. “Vonona izahay ny hanohana azy ary mitsipaka marindrano ny tetika fanakorontanana amin’ny endriny samihafa, indrindra mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana, koa mangataka ny filoha Rajoelina Andry izahay hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena”, hoy ny fanambarana novakin’ny depiote, filohan’ny vondrona parlemantera IRD, i Ve­lontsara Paul Bert. Notsia­hivin’izy ireo fa tena nanao ezaka eo amin’ny sosialim-bahoaka sy ny fotodrafitrasa manerana ny Nosy ny filoham-pirenena na teo aza ny olana mianjady eto amintsika sy ny firenen-drehetra, araka ny nambarany. Manampy izany ny fahatokisan’ireo avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka nahazoana famatsiam-bola maro samihafa.

Resaka tsy mitombina ny zom-pirenena

Efa nialohavan’ny fanambaran’ireo ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Ankazobe, ny avy any Toliary I sy II ary koa Ampanihy Andrefana izany. Ny Diaspora any Frantsa nanambara ny fahareseny lahatra ka nangataka ny hirotsahan’ny filoha hofidina indray. Miandrandra ny handrosoana hatrany, araka ny nambaran’izy ireo.
Tsiahivina fa hatao ny alatsinainy sy ny talata izao ny kongresin’ny TGV. “Ho hitanareo eo ny tanjakay. Ho avy ny solontenan’ ny distrika 119 sy ireo eny anivo’ny fokontany. Ambaranay koa fa resaka tsy mitombina izany zom-pirenena izany”, hoy ny depiote Raholdina Naivo.

Synèse R.

Partager sur: