“Ny antoko mpanohitra milaza hoe tsy ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC. Nefa mirotsa-kofidina ry zareo. Ny dikan’izany, ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC matoa manaiky hirotsa-kofidina ry zareo. Inona no hirotsahan-kofidina raha lazaina hoe tsy ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC? Ekena ho ara-dalàna ireo, matoa mirotsa-kofidina ireo kandidà. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko GFFM, ny pasitera Mailhol.
Hatramin’izao, manao ny asany ny Ceni ary milaza fa vitany izany. Tsy any amin’izany no mety hisy sakana tsy handehanan’ny fifidianana. Efa miroso amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Ceni. Efa nilaza fahavononana koa ny governemanta fa tsy maintsy hatao ny fifidianana. “Amiko, tsy hitako izay antony tsy hanaovana fifidianana. Ny faniriako mba ho fifidianana madio, mangarahara, tsy misy halatra na antsojay amin’ny kandidà”, hoy izy. Mba hoeken’ny rehetra izay kandidà voafidy eo, na ny am-perinasa na ny vaovao. Mba hatsahatra amin’izay ny korontana, fa izay no tsy mampandroso. Mety tsy hisy fifidianana raha mbola voakorontana na mikorontana ny eto an-toerana.
Ny HCC tompon’ny teny farany amin’ny famoahana izay ho kandidà hirotsaka ho filohan’ny Repoblika. Ry zareo no mahita sy mamoaka izay tokony hirotsa-kofidina.
R. Nd.