Tao anatin’ny andro maro no efa naka ny hevitry ny mpitia zavakanto ny tarika Mage 4. Anisan’izany ny amin’ireo fandaharan-kira eny an-tsehatra. Maro be ny namaly ny antso.
« Efa mamarana ny fandaharan-kira ho hiraina eny an-tsehatra (répertoire) izahay ato. Mampiditra ireo hira be mpangataka sy ireo tsy tena mbola natao tamin’ireo seho an-tsehatra teo aloha », hoy ny fampitam-baovaon’ny tarika Mage 4. Hotanterahina ny 10 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina eny Mahamasina ny fampisehoana lehibe hiarahana amin’ity tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy ity.
Marihina fa anisan’ny tarika miangaly ny mozika mavesatra ny Mage 4. Mampiavaka ny sanganasany kosa ny fanomezan-danja ny tononkira sy ny fandrindrana izany amin’ireo zavamaneno ampiasain’ny tarika. Tononkira sy feon-javamaneno azo henoin’ny sofina tsara. Tononkira tsotra sy mora raisina, hany ka mipaka avy hatrany any amin’ireo izay mahaheno izany !
HaRy Razafindrakoto