« Tetikasa PURPA »: tantsaha 126 200 hahazo tohana hana-pamokarana

Hipaka mivantana amin’ny mpamokatra maro manerana ny Nosy ny tetikasa “PURPA”. Betsaka ny tombontsoa azo tsapain-tanana mandritra ny roa taona hanatanterahana izany.

Drafitrasa hanohanana ny tantsaha sy hampiroboroboina ny sehatry ny fambolena ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire”, (PURPA), izay hiasa eto Madagasikara mandritra ny roa taona. Hiasa amina faritra 20 eto an-toerana ny tetikasa ka hahazo tombontsoa mivantana ireo tantsaha. Homena tohana hana-pamokarana ny mpamokatra 126 200 manerana ny Nosy. Hisy ihany koa ny fampiofana atao any amin’ireo faritra iasan’ny tetikasa. Nisy ny fampivondronan’ny mpiara-miobon’antoka amin’ny tetikasa “PURPA” ho an’ny tomponandraikitra ao amin’ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) sy ny tahirimbolam-paritra ho fampandrosoana ny sehatry ny fambolena (FDAR) avy ao amin’ny faritr’Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe sy Matsiatra ambony, ny alatsinainy ka hatramin’ny alarobia teo, tao Fianarantsoa. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fiasan’ireo mpiara-miombon’antoka eny ifotony amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Teboka
Anisan’ny voaresaka ny fomba fanatsarana ny fizohiana ny tetikasa sy ny tombana ho an’ireo fizarana hana-pamokarana ary ny karatry ny mpamokatra vita teo taloha. Eo koa ny fampiasana ny teknolojia “Kobo Toolbox”, ny tombana sy fizarana ireo traikefa eny ifotony. Marihina ao anatin’izay ny fampiofanana sy ny fizarana ireo fomba fiasa ilaina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “PURPA” ihany koa ny fametrahana saha sekoly isam-paritra sy ny fanomanana ny fizarana hana-pamokarana. Ao ny fampiofanana ireo mpisitraka ny tetikasa, araka ny teknikam-pamokarana. Tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny “PURPA”, vatsian’ny BAD vola.

Henintsoa Hani

Partager sur: