Slam Media 2023: tsy misy very anjara ny mpiangaly Slam

Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Anala­kely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana anjara ary alefa any amin’ny tomponandraikitra.

Tsy misy very anjara ireo mpiangaly Slam, ao anatin’ny “Slam nationale 14”. An’efijery no hanaovana ity fifaninana ity, izany hoe, tsy mivantana. Raketina anaty horonantsary tsy mihoatra ny 3 min sy 10 segondra, tsy misy feo mozika lafika, ny fandraisana anjara, ary alefa mailaka any amin’ny tomponandraikitra alohan’ny 24 septambra 2023.
Raha ny fifaninanana roa farany, hita ho nitombo hatrany ny isan’ireo mpandray anjara amin’ity sokajy “Slam media” ity. Ny fahatsapana ho malalaka kokoa raha oharina amin’ny seho mivantana no antony hisafidianan’ny mpandray anjara ity sokajy ity, raha ny nambaran’izy ireo. Sehatra ahafahan’ireo vao misandratra sy talenta vao mitsapa ny haavo teknikany ihany koa ny “Slam media”.

Lin

Partager sur: