Tontolon’ny hira: nikopak’elatra i Lina Gpe

 Fantatra tamin’ny fampitam-baovao nomen-dRazafimandimby Serge fa « nikopak’elatra ho any Hong Kong, ny faran’ny herinandro teo, i Lina Gpe ». Mpanakanto anisan’ny maro mpitia noho ny fananany feo kanto. « Nisy fifaninanana ahazoana vatsim-pianarana nokarakarain’ny fanjakana sinoa. Ny sekoly frankôfônia no nahazo io tolotra io. Nasaina nifidy izay mpianatra mahay indrindra ry zareo.Voafidy i Lina ! Marihiko fa manana solontena iray avy ny isam-pirenena maneran-tany. Izy izany no hisolotena an’i Madagasikara », hoy hatrany i Serge Gpe. Telo taona ny faharetan’ny fianarana ataony any Chine.

Tsy hijanona akory ny mozika

Miantona kely ny famoahana hira vaovao, raha ny hafatra nampitainy. Nambaran’i Lina Gpe fa : « rehefa vita ny fianarako, hotohizana hatrany ny mozika satria efa faniriako hatramin’izay ny ho mpanakanto. Tsy hijanona akory ny mozika. Misaotra anareo mpankafy rehetra. Misaotra anareo mpitari-dalana ahy koa » !

Maro ny safidy eo amin’ny fianarana hotanterahin’i Lina, Gpe, any Chine. Any an-toerana izy no hanatanteraka ny safidiny. Ny tontolon’ny fianarana ho masoivoho kosa anefa no andrian’ny sainy kokoa. « Somary mafy ny fisarahana, saingy, ny hoavy no banjinina ! Mirary soa ho azy aho », hoy i Serge Gpe izay mpitantana an’i Lina eo amin’ny tontolon’ny kanto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: