Manam-bola e !

« Tsy mahantra ny Malagasy !», fehezanteny iray nanaovana eson-teny tamin’izany fotoana. Nihomehezana ilay filohan’ny Repoblika, nolazaina fa miteniteny foana. Toa manana ny marina izy raha  mijery ireto olona 28, nametraka taratasy firotsahan-kofidiana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ireto.

Mitentina 5 600 000 000 Ar na dimy miliara sy enin-jato tapitrisa Ar ny anto-bola tokony ho voarotsaka hatramin’ny omaly. Raha atao indray mijery, miraraka ny ivy ho an’ny mpitazana. Mba maro ilay tia tanindrazana ( !?). Tena leo tokoa ve ka naleo niditra an-tsehatra? Tsy ho mpitazana fotsiny, na ilay hifendrofendro fa mba ho mpitondra fanantenana sy  fampandrosoana.

Asa anefa ! iza no mahita na vono vorona sy  fitia te hisehoseho no ambadik’izao firongatry ny ho kandidà izao. Tsy mampino fa tena sahy nandrotsaka ny volabe izy ireo. Ny tsilian-tsofina azo avy amin’ny mpiasan’ny HCC, izay tsy ho tononina anarana, ho fanajana ny loharanom-baovao dia maromaro ihany ny kandidà tsy mahafeno ny antontan-taratasy ilaina. Anisan’ny banga ilay tapakila manamarina ny fandrotsaham-bola eny amin’ny tahirimbolam-panjakana.

Betsaka sady maro karazana ireto kandidà tonga teny Ambohidahy hatramin’ny omaly. Misy, olona tena tsy fantatra amin’ny tontolo politika na any amin’ny sehatra hafa. Fady anefa ny mitsara ivelany, fa matoa izy ireny sahy mandeha irery, zava-dehibe ny fahavononana. Ilay toe-tsaina entin’izy ireo mihitsy no maha te-hidera ary ilain’ny Malagasy tsivakivolo amin’ny fiainany andavanandro.

Hita taratra avokoa ny tanjaka sy ny foto-pisainana itondran’ny tsirairay ilay lalao fa any amin’ny mpandatsa-bato sisa ny baolina. Amin’ny sabotsy rahateo dia ho fantatra izay hiakatra amin’ny dingana manaraka ! Amin’ny alatsinainy ny filaharana anaty biletà tokana !

r.r

Partager sur: