Kitra: lasan’ny Sandratra ny amboara

 

Tontosa, omaly, teny amin’ny Kianja Santilo Anosizato ny fihaonana baolina kitra teo amin’ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra.  Norombahin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny fandresena. Sokajy lehilahy, resin-dry zareo tamin’ny isa 2 – 1 ny Havàtsa-Upem, raha 1 sy 0 kosa teo amin’ny sokajy vehivavy.

« Tratra ny tanjona. Tsy ny penina ihany no hain’ny poeta sy ny mpanoratra ampiasaina sy lalaovina fa ny baolina kitra ihany koa. Hita taratra ny firaisankinan’ny samy poeta sy ny samy poeta. Misaotra ny Havàtsa-Upem nanasa anay », hoy i Zo-Maminirina avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Na teo amin’ny sokajy lehilahy na sokajy vehivavy, samy naneho izay fifandraisana sy fifamatorana am-po izay ny rehetra. Noporofoin’izy ireo fa azo atao tsara ny manasongadina ny fananana ny kanto any amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-71 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpanoratra sy ny poety, Havàtsa-Upem, ity hetsika ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: