Efa ao anatin’ny fiatrehana sy fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Ady fiady io. Eny, na misy aza ny tsy mitsahatra miady sy mitady hirika tsy hahatanteraka izany, hanemorana azy… Mandeha avokoa ny karazana fanambarana etsy sy eroa. Ny vava no tena miasa? Na ady vava… Misy mihevitra fa izay miteny betsaka sy matetika ary avo feo no manana ny marina ka tokony hinoan-teny, hoekena, harahina. Nefa eo koa ny fahendrena hoe tsy miteny firy ny marina fa miteny betsaka ny lainga, tsy hisy intsony ny lainga raha samy milaza ny marina ny rehetra…
Ny vava no tena miasa amin’ny fifidianana toy izao? Fandresen-dahatra vahoaka hifidy ny tena, fanolorana sy fanazavana ny vina sy ny fandaharanasa… Saingy tsy izany aloha no zava-dehibe sy mahamaika ny sasany, fa ny hanakorontana ihany. Amin’izay tsy hisiana na hihemoran’ny fifidianana ahay? Fialana na fanamarinan-tena amin’izany ny hoe mila fandaminana sy fanadiovana ny sehatra na ny tokotany iadiana. Misy ny tsy manana kandidà atolotra na tohanana amin’izany, fa ny hanakorontana ihany. Fomban-javatra amin’ny fifidianana toy izao izany, fa politika no atao.
Sao ela fievoka àry ka ho may lamba? Miroso hatrany ny mpikarakara sy mpikirakira fifidianana. Hanao ahoana? Misy matahotra sy manahy ary mamendrofendro lava ny mety hisian’ny korontana mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Izay ilay asa vava fa tsy vava asa amin’ny fiatrehana fifidianana? Tsy miantso ny vahoaka ho tony, ohatra, fa mandranitra azy hikorontana, hankahala, hikomy… Ho tonga hatraiza? Ho hita eo… Samy manana izay mahamaika sy maharesy lahatra azy. Nefa ny vahoaka ihany no tompon’ny teny farany: ho azo amin’izay fanakorontanana ve?
R. Nd.