Kanto hafakely ! Mpahay zavakanto samy manana ny talenta mampiavaka azy i Indie sy i Yves Robinson. Hanomboka amin’ny talata 12 septambra izao ka hatramin’ny 21 oktobra, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, hifameno ireo. Tsy naka lavitra fa teto an-drenivohitra no nanaingana ny famolavolana. Tsy fahita firy ny « diorama » na ilay fanomezana aina sy endrika ny sary (na hosodoko) amin’ny alalan’ny taratra (hazavana) na aloka. Na heverina fa tsy ho tanteraka, tsy iainana andavanandro, na ho zary nofy ihany aza ireny endrika omen’ny « diorama » ireny, mitondra fahafinaretana sy hevi-baovao ho an’izay mahita azy, raha ny fanazavan’ny mpahay kanto. Ny sary hosodokon’i Yves Robinson no hanehoan’i Indie ny fahaizana mifehy ny « diorama ».
Raha mahazatra ny mpanao hosodoko hatramin’izay ny naneho ny tanimbarin’i Betsimitatatra, ny tsenan’Anjoma, ny adin’akoholahy, sns, tazana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny endriky ny trano mampiavaka an’Iarivo kosa no nataon’i Yves Robinson hosodoko. Ireo no omen’i Indie endrika vaovao hanintona ny maso amin’ny alalan’ny « diorama ».
Hifameno ny talenta roa. Hanana fahitana vaovao ny maso. Haminavina ny saina… « Tsy manakona ny tena izy ny fampiasana ny « diorama » », raha ny fanazavan’ny mpahay kanton’ny ankehitriny.
HaRy Razafindrakoto




