Feno ny efitrano ! Nafana tanteraka ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 9 septambra teo. Tsikaritra teny an-toerana fa nifamatotra akaiky i Niu Raza sy ny mpijery. Hain’ ity tanora mpanakanto manana ny maha izy azy ity rahateo ny nanentana. Nampifanohizany ny lohatenin-kira roa ka zary nanome tantara iainan’ny mpijery. Tao anatin’ny tehaka sy fankasitrahana tanteraka no nandraisan’ireo mpijery izany.
Na teo aza ireo mpandihy, anisan’ny nampiavaka ity fampisehoana ity ny fahaizan’i Niu Raza mandihy. Tsy mba dihy tokana fa maro. Ireo sanganasany rahateo ahenoina gadona samihafa. Ho an’ny dihy avy eto an-toerana, nisongadina ny fahaizany mifehy ny dihy manerana an’i Madagasikara. Tehaka mirefodrefotra sy horakoram-pifaliana no nasetrin’ireo mpijery tonga maro teny an-toerana ny dihy « maloya » nataon’i Niu Raza.
Hita sy re hatrany ilay aingam-panahy malagasy
Na mipetraka any ivelany aza i Niu Raza, hita sy re hatrany ny maha Malagasy azy. Tazana tamin’ireo fitafy nentiny teny an-tsehatra. Heno any anaty tononkirany. Tahaka izany koa ny fomba fanentanana ataony. Tsikaritra hatrany ilay embona sy hanina an’i Madagasikara sy ny Malagasy ary ny kolontsainy. Marihina fa nampahafantarina nandritra ity fampisehoana ity ny fivoahan’ny rakikirany mitondra ny lohateny « Immigrant ».
HaRy Razafindrakoto