Andro vitsivitsy sisa no hisaina… Raikitra ny fampielezan-kevitra ! Hiasa mafy ny mpanakanto. Manao ahoana ny endriky ny tontolon’ny fifanarahana ao anatin’izany ? Dinika nifanaovana tamin’i Roberto, « manager » tarika Stéphanie.
Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha « manager »-nao, manao ahoana ny antso azonao momba ny fanafanana fampielezan-kevitra ?
Roberto (-) : Efa maro amin’ireo nirotsaka hofidina ho fioham-pirenena tokoa no niantso. Efa nisy efatra eo ho eo. Fa tsy mbola nandray fanapahan-kevitra izahay satria zavatra maromaro no mila dinihina.
* Miankina amin’inona ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fifanarahana amina kandidà iray na maromaro ?
– Voalohany, miankina amin’ny « valeur »-n’ilay mpanakanto. Faharoa, miankina amin’ ny zavatra atao. Mety tsy hisy mpitendry zavamaneno fa ilay mpihira ihany no manatanteraka ilay fampisehoana. Mety ho ny tarika iray manontolo mihitsy. Mbola misy hafa fa ireo aloha no anisan’ny lehibe.
* Tokony hoatrinona izao ny maka tarika na mpanakanto iray hanatanteraka fampielezan-kevitra ?
– Miainga eo amin’ny 50 tapitrisa Ar ka hatrany amin’ny 300 tapitrisa Ar. Anisan’ny iankinan’io sandam-bola io mantsy ny endriky ny fifanarahana. Ohatra: Afaka manaraka kandidà maromaro ilay mpanakanto. Na, kandida tokana ihany no arahin’ilay mpanakanto mandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra.
* Mety hisy fiantraikany any amin’ny hoavin’ny mpanakanto iray ve ny fanafanany fampielezan-kevitra miaraka amina kandidà tokana ?
– Raha ho an’ny mpankafy, tsy mamotika mpanakanto mihitsy ny manafana hetsikana kandidà tokana… Fa eo amin’ilay kandidà no mety ahitana olana. Raha ilay tsy niarahanao no lany, hananany lolom-po ianao. Iny no manahirana satria asa tahaka ny asa rehetra ange ny an’ny mpanakanto e ! Tsy miditra any amina resaka politika !
Nitafa : HaRy Razafindrakoto