Fomba amam-panao : mihena ny isan’ny Malagasy manao ny famadihan-drazana

Fomba amam-panao, tanterahin’ny Malagasy avy eto afovoantany, ao anatin’ny vanim-potoana maintany sahala amin’izao ary telo taona aorian’ny nahafatesan’ny olona iray, farafahakeliny ny famadihan-drazana. Araka ny antotanisa eo anivon’ny tomponandraikitry ny kaominina maromaro anefa, miha mihena isan-taona ny Mala­gasy manao ity fomban-drazana ity. Mihena isan-taona, araka izany, ny isan’ireo ma­nao fangatahana hanao famadihan-drazana sy famonosan-damba razana. Antony maro samihafa no mahatonga izany fihenan’isa izany. Raha ho an’ny kaominina Ankadiman­ga, Fiombonana, Ambohitri­manjaka, Ampangabe, izay kaominina manodidina an’ Antananarivo Renivohitra. Antony mahatonga ny tsy fa­naovan’ny olona ny famadihan-drazana ny firoboroboan’ ny fivavahana. Maro ny Mala­gasy no lasa tsy manatanteraka ity fomba ity intsony noho izy ireo voararan’ny antokom-pinoana misy azy. Tsy fananam-bola eo anivon’ny fianakaviana no tsy ahafahan’ireo any ambanivohitra any, sahala amin’ny ao amin’ny kaominina Fiadanana, Mahereza, Imerimandroso, Iarinarivo, manao azy ity. Araka ny nambaran’izy ireo, mila miomana roa na telo taona mialoha vao afaka manatanteraka izany famadihan-drazana izany.

Lin

Partager sur: