Araka ny tapaky ny fivoriambe, hanisa ny mpikambana ao aminy ny Seces Sampana Antananarivo, ka misy fandaminana mikasika izay ho an’ny mpikambana rehetra. Hanatanteraka fivoriambe fanehoan-kevitra koa ny Fiombonamben’ny Sendikàn’ny mpiasa Malagasy FSMM sy ny SECES ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny “Cathédrale DEGS”.
Ny “vacataire” izay maro anisa eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo-Ankatso, mbola tsy mpiasam-panjakana, dia nanambara fa tsy hampianatra intsony raha tsy voaray ny karama feno, nanomboka tamin’ny taona 2018 hatramin’ny taona 2022. Misy koa ny fitakiana izay efa voafaritra ao anaty lalàna nefa tsy notanterahina. Miandry ny fandavan-tenan’ny fanjakana hatramin’ny 10 oktobra izy ireo.
Notanterahina nanomboka omaly hatramin’ny faha-20 septambra ho avy izao ny fizarana ny “Caisse école” ao amin’ny Cisco Amboasary Atsimo. Tafiditra anatin’ny fanohanana ny fanabeazana ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 izany hetsika tanterahin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izany.
Natolotra ireo mpianatra sy ray aman-dreny, omaly, ny CEG nasiam-panavaozana tao amin’ny kaominina Ivato, hahafahana misantatra ny taom-pianarana vaovao 2023-2023. Nanolotra izany ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy. Nanentana ny mpianatra ny tenany hikojakoja ny fotodrafitrasa mba haharitra.