Mampiomana ny Jirama fa hofoanana ny « auto-relevés », fakan’ny mpanjifa mivantana ny fandaniana jiro sy/na rano amin’ny kaontera. Hanomboka hitety tokantrano haka ny tarehimarika ny mpiasan’ny Jirama amin’ity volana septambra ity. Maro ireo mimenomenona manoloana izany any anaty tambajotra sosialy.
Miisa 34 000 ny andrin-jiro vaovao an’ny Jirama vita amin’ny « béton » amboarina. Mahatratra 1 600 km ny taribin-jiro ilaina amin’izany, miampy vata mpanova herinaratra (tranfos) miisa 650. Vitaina mialoha ny faran’ity taona 2023 ity ny ampahany voalohany, ary amin’ny faran’ny volana marsa 2024 ny asa rehetra.
Nankatoavina omaly ilay fifanarahana fiaraha-miasa GIZC, nivoriana teto Antananarivo ny 11 sy 12 septambra teo. Voakasik’izany ny fitantanana manontolo ny tontolo an-dranomasina sy ny morontsiraka aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Miisa 10 ny firenena nifanaraka.
Nilaza ny olona iray mitonona fa mpahay vato sarobidy, fa misy vatosoa mitentina 47 miliara dolara mahery, saingy tsy nety lafon’ilay tompony. Navoaka an-tsokosoko avy aty Madagasikara ny taona 2003 io harena an-kibon’ny tany io ary haverina aty Madagasikara. Nambarany fa hozaraina amin’ny Malagasy rehetra, ka samy hahazo 7 tapitrisa Ar avy. Tsy fantatra anefa raha tena misy tokoa ilay vola na tsia.