Tsy manaiky ny fetra farany ambany amin’ny
«nicotine» any anatin’ny lavanila, napetraky ny Vondrona eoropeanina (UE), ny fanjakana. Antony, manana taha ambony lavitra amin’io fetra io ny 60%-n’ny lavanila malagasy. Tokony hihatra amin’ny 15 septambra 2023 io fepetra io.
Mirefy 2 000 ha ny velaran-tany voakasiky ny tetikasa “Volobe”, hanamboaran’ny orinasa CGHV toby mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano. Misy ampahany amin’io tany io an’ny fanjakana, ary misy koa an’olon-tsotra. Haharitra dimy taona ny hanamboaran’ny CGHV ny fotodrafitrasa.
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fampidirana fiara «camionette Toyota» miisa roa avy any ivelany. Fanomezana avy amin’ny Sampandraharan’ny Firenena mikambana (SNU) hampiasain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Miisa 265 ny kojakoja niomerika «power bank» novidian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Hampisain’ny Tetikasa “fampandrosoana ny fambolena” (Defis) any amin’ny toerana mitoka-monina tsy misy herinaratra.