« Afondasin’Andohalo »: fiarahan’ny sakafo sy ny hira

Hotanterahina rahampitso 15 septambra manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eo amin’ny Zaridainan’Andohalo ny «Afondasin’Andohalo». Hetsika hoenti-mampiroborobo ny haitao ara-tsakafo malagasy. Hanehoana sy hihinanan’ireo izay ho tonga eny an-toerana ny sakafo malagasy. Hianohana ny hira sy ny mozika miaraka amin’i Eric Rason sy Nary & Co. Mpitendry gitara, mpihira, sns, tsy zoviana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Manana fahaiza-mifehy ny seho atolotra ny mpijery. Manana ilay fahaizana sy fahazarana miaraka anaty seho iray.
Handray anjara sady mpikarakara ny «Afondasin’An­dohalo» rahateo ireo mpikirakira momba ny sakafo manana traikefa matanjaka amin’ny nahandro. Anisan’ireny ny Haka Fy Authentic Restaurant, ny Tafo Bozaka, ny Caesar Grill. Samy haneho ny fahaiza-manaony amin’ny nahandro malagasy izy ireo. Samy hitondra ny mampiavaka azy ihany koa.
Marihina fa anisan’ny mikarakara ny «Afondasin’Ando­halo» ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny Iarivo Radio kosa no hanentana ny hetsika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: