Vaky boky: nandray ny « Lecture en rire » ny boriborintany fahatelo

Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, ny hetsika «Lecture en rire», nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny vondrona mpanao hatsikana Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Ankoatry ny fampahafantarana ny karazana hatsikana Stand Up. Tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy sy ny tanora, ho liana amin’ny famakiana boky.
Sady miala voly anaty ha­tsikana no mandranto fahalalana anaty vaky boky. Io ny teny niverimberina teny amin’ny efitrano malalaky ny boriborintany fahatelo, nandritra ny “Lecture en rire”. Nam­piavaka ny omaly ny fandraisana anjaran’ireo mpiangaly “Slam”. Ny tombontsoa entin’ny vaky boky no lohahevitra noventsoin’izy ireo tamin’izany. Mitombo hatrany ny mpankafy ny hetsika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ary mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny kolontsaina sy ny haikanto sahala amin’
izao.
“Tsara sy mahafinaritra ary mbola azo hatsaraina ny hetsika sahala amin’izao, noho izy mitondra fanentanana sy fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy.” hoy ny mpijery. Angatahanay ny hanaovana azy ity matetika amin’ny toerana rehetra, miaraka amin’ny haikanto tena manabe.

Lin

Partager sur: