Miara-mientana amin’ny fametrahana aro afo ny Graine de Vie. Tetikasa iray ao Ambohitantely, distrika Ankazobe no anaovana aro afo amin’izao fotoana, ho fiarovana ny ala sy ny hazo novolena. Mametraka aro afo 5 ka hatramin’ny 8 km eo ny Graine de vie, mirefy 15 m ny sakany. Fiaraha-miasa eo amin’ny Graine de Vie sy ny Madagascar National Park.
Ho tapaka ny lalana “Arabe Victoire Rasoamanarivo”, miainga eo amin’ny Restaurant le B, ny 14 sy15 septambra 2023 ho avy izao, mnomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Noho ny asa fametrahana “pylones”, ho an’ny tetikasa “transport par cables” eny amin’ny faritra Isoraka, tanterahin’ny Colas. Manentana ny besinimaro ny fiadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanaraka ny toromarika hapetraka.
Teren’ny mpitantana ny oniversite ho vita ao anatin’ny iray volana ny fampianarana tokony hatao volana maromaro ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, hoy ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny Seces Sampana Antananarivo, omaly. Mametra-panontaniana izy ireo raha am-piheverena no nandraisana izany fahapahan-kevitra izany.
Nahafahan’ny mpandray anjara maherin’ny 500 mihaona mivantana eto Antananarivo sy any amin’ny faritra 23, izay mampiasa endrika ampitan-davitra, tamin’ity herinandro ity ny fihaonamben’ireo mpisehatry ny fanabeazana (PNPSE). Nisy ny fifampidinihana teo anivon’ny PNPSE nahafahana nitazona ireo lohahevitra fito amin’ny fifanakalozan-kevitra.