Hanohana kandidà roa ny RMDM, araka ny nambaran’izy ireo tetsy Ampandrana, omaly. hanohana ny kandidà Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ny mpanohitra. “Malalaka ireo antoko eo anivon’ny RMDM hisafidy ny iray amin’ireo… Manala ny tenany kosa ireo manohana kandidà hafa”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard.
Naneho ny heviny ireo CST sy CT teo aloha. Manao antso avo amin’ireo raiamandreny tsy an-kanavaka sy ireo hery velona rehetra mba hanohana ny fandalinana efa natomboky ny FFKM izy ireo. “Tsy azo ekena ny fandikan-dalàna sy ny firaisana tsikombakomba hamotehina ny firenena sy hanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy”.
Niantso ny feon’ny fieritreretan’ny mpitandro filaminana ireo fiarahamonim-pirenena miisa 32, nanao fanambarana, tetsy Ambatonakanga, omaly. “Tena mbola fiarovana ny fiandrianam-pirenena ve no mibaiko… Efa halohalika ny ranombary”, hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo fa ilaina ny fifidianana madio sy marina.
Namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny fanivanana mpanao gazety teny Mahazoarivo. “Manameloka izany izahay. Melohina koa ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety… Zo fototry ny rehetra ny hahazo vaovao voamarina”, hoy ny OJM.