Velona ny hira malagasy. Marina io raha ny isan’ny tarika na ny fivoahan’ny hira vaovao no hanaingana ny fanadihadiana. Nahitana fiovana lehibe nanaraka izany koa anefa ny firafitry ny hira malagasy.
Manana karazan-kira maro ny Malagasy. Ny azy rahateo, tsy nohiraina fahatany na noforomporonina tsy misy antony ny hira fa niainga tamin-javatra lehibe. Samihafa mihitsy, ohatra, ny hira hoentina mivavaka mangata-pitahiana amin-Janahary sy ny hira hoenti-manainga vato. Tahaka izany ihany koa, samihafa ny hira hanomezan-kasina ny raiamandreny sy ny hira fanaon’ny ankizy rehefa diavolana. Amin’ny ankapobeny, iraisan’ireo hira ireo ny fahatsorana. Zavamaneno faran’izay tsotra (denaka, ambio, amponga…) no nanarahana ny hira. Faharoa, ny hery lehibe ananany. Fahatelo, ny fanajan’ny fiarahamonina ireny hira ireny.
… Amin’izao vanim-potoana izao, ny zavamaneno no voizina mafy. Tsy tsotra intsony tahaka ny teo aloha, rahateo, izy ireny fa manaraka ny teknolojia. Zavamaneno iray, mahavita feon-javamaneno aman-jatony. Raha natao hampisongadina ny hira ny zavamaneno, ny ankehitriny kosa, mandrakotra ny hira ny feony sy ny fomba fitendrena azy. Tsy ny hira malagasy ihany no tratran’io tranga io fa na ny an’ny vahiny aza. Piano tokana no nanaraka an’i Edith Piaf tamin’ny fotoana nampamirapiratra ny sanganasany. Amin’izao fotoana, toa tsaraina ho « mahantra » ilay hira raha manana izany « endrika » na firafitra izany.
Mitombo hadiry fa mihen-danja !
Rakotra zavamaneno ny sehatra. Ao ny mamoaka feo miavaka sy tsy faheno hatramin’izay. Misy ny mikorintsana, ny migobona be, sns. Misy aza moa ampaham-potoana hanehoan’ireny mpitendry zavamaneno ireny ny fahaizany mitendry… Tehaka mirefodrefotra no andraisana izany ! Raha ireo no tomorina akaiky, tokony hanana ny maha izy azy kokoa noho ny hira teo aloha ny hira amin’izao vanim-potoana izao.
… Saingy, ny mifanohitra amin’izany no zava-misy nanomboka tamin’ny vanim-potoana nampiroborobo fatratra ny zavamaneno namboarina tamina teknolojia avo lenta. Ny hira lazaina fa kanto, mandalo, miserana ao anatina fotoana voafetra sy fohy. Tsy hita popoka avy eo satria nihen-danja nanoloana ny fiarahamonina tokony hiantefany.
Mba hoenti-mampiaraka ny fomba famoronan-kira fahiny sy ny ankehitriny, mila mianatra sy mandalina ireo lazaina fa mpanakanto eo amin’ny sehatry ny hira !
HaRy Razafindrakoto