Toa tsy misy afa-tsy politika sisa ny resaka ! Hatreto aloha, tsy mbola nisy mpanakanto na mpikarakara fampisehoana, nanemotra na sanatria nanafoana ny fandaharam-potoana hanatanterahiny izany. Misy hatrany ny seho, ny ranty, ny varotra fampirantiana, ny fifanakalozana traikefa na ny atrikasa, sns. Na izany aza, takon’ny politika ny kolontsaina. Saika isaky ny mandalo vanim-potoana tahaka izao ny firenena, voailika eny an-jorombala ny zavakanto sy ny kolontsaina.
… Raha vao mivaha anefa ny olana, ifandrombahana indray ny mpanakanto, satria, hanao fampielezan-kevitry ny mpanao politika. Tsy ny mpanakanto rehetra anefa fa ireo heverina fa mahasarika mpijery. Io tranga io matetika no mandiso fanantenana ny « mpilalao politika ». Tsy ilay hevitra ambaran’ilay mpirotsaka hofidina no nahamaro ny olona tonga fa ny « hijery fety ». Tranga toa milaza indray fa tsy azo atao ny manilika ny mpanakanto sy ny zavakanto ataony. Sa, sanatria ataon’ny mpilalao politika fa amponga mihantona aza ny zavakanto sy ny mpanakanto ?
HaRy Razafindrakoto