Tontosa omaly, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny tafatafa niresahana ny mahakasika ny sary hosodoko sy ny tontolony, niaraka tamin’i Pety Rebely sy mpaha kanto samihafa, misehatra eo amin’ny fanaovana sary hosodoko. Resadresaka tafiditra tao anatin’ny hetsika « Ensemble, rendez-vous », iresahana ny mahakasika ny haikanto sy ny tontolony izy ity. Nandritra ny fihaonana omaly no nifampizaran’ireo mpahay kanto ny fahaiza-manaony sy ny tsiambaratelon’ny fahombiazany.
Mpanao sary telo samy manana ny maha izy azy no nanafana ny sehatry ny « Ensemble, rendez vous » teny amin’ny CGM Analakely, omaly. Richianny Ratovo sy Dina Rabearivelo ary Sleep Pop no nitafatafa tamin’i Poety Rebely, tao anatin’ny lohahevitra “L’art de la couleur et du pinceau: A la découverte du métier”. Tao anatin’izany no nanehoan’izy ireo fa afaka ivelomana ary ahavitana mitety vazantany ny fanaovana sary. TNanambara ihany koa izy ireo fa mbola maro ny sehatra azo trandrahina eo amin’ny sary hosodoko.
Lin