Hifarana rahampitso ny hetsika goavana eo amin’ny dihy ankehitriny, natao teny amin’ny IFM Analakely, nandritra ny telo herinandro. Ankoatra ny fampisehoana, hetsika maro no nentina nandravahana ny « Festival Temps Fort Danse ». Fotoana ihany koa nahafahan’ireo mpisehatra eo amin’ny dihy ankehitriny nifanakalo traikefa sy fahaiza-manao. Mbola maro ny hetsika ao anatin’izao fiafarany izao, indrindra amin’ny andron’ ny rahampitso, andro famaranana.
Afa-po tamin’ny hetsika nandritra izay fotoana nanaovana ny « Festival Temps Forts Danse » izay ireo mpankafy. Karazany maro no hita nandritra ity hetsika ity toy ny « Top rocker », « Locker », « Poper » sy ireo karazana dihy eo amin’ny tontolon’ny « Hip hop ». Nifandimby naneho ny maha izy azy ihany koa ireo vondrona sangany eto Madagasikara eo amin’ity sehatra ity, sahala amin’ny Compagnie Anjorombala, Lovatiana, Up of the Rap…
Ankoatra ireo, naneho sy nizara ny talentany ihany koa i Natty Kaly, teo amin’ny “Street art”, izany hoe, ny tontolon’ny fanaovana sary amin’ny tamboho. Tena nampisongadina ny hetsika ny fahatongavan’ny Compangnie Yvann Alexandre, vahiny nasaina, niaraka tamin’ny tetikasa « Makabahana ». Tsy latsa-danja koa ny antsan-tononkalon’i Falihery Ratovonirina.
Lin