TARATRY ny KANTO

Zoma Finaritra. Tanterahina eny amin’ny IKM Antsahavola, anio tolakandro, ny hetsika « Zoma Finaritra ». « Slam Session », iarahana amin’ny MST, no handravaka izany amin’ity anio ity. Raha tsiahivina, misokatra ho an’ny mpahay kanto rehetra ity hetsika ity, ho fanomezana sehatra azy ireo.

“Ny lanitra sy ny fianakaviany”. Hivoaka eny amin’ny edisiona MBM, ny volana oktobra 2023, ny boky “Le Ciel et sa famille”, nadikan’i Na Hassi, avy amin’ilay boky “Ny lanitra sy ny fianakaviany” an’i Lalao Elina Razanadriaka. Angano mirakitra torolalana sy fomba tokony ho fanaon’ny ankizy no voarakitra ao amin’ity boky ity.

IKM Antsahavola. Mitohy hatrany ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny kolontsaina mala­gasy sy ny manodidina azy, ataon’ny IKM Antsa­havola. Misy ny fameloma-maso ny Fanorona, iarahana amin’ny matihanina eo amin’ity sehatra ity. Fomba filalao, hevitra fonosiny ary ny fampiharana azy eo amin’ny fiainana andavanandro no hatao mandritra izany.

Hosodoko. Nandray ny amboara manamarika ny maha anisan’ny mpandresy azy i Natoa Raso­lonjatovo, nandritra ny hetsika lehibe “Habaka­baka hifampizarana, Sinoa sy Afrikanina”. Tanora mpahay kanto miisa 10 avy aty Afrika no nandranty ny haikantony tamin’izany, anisan’izany i Natoa R., tamin’ilay sanganasany “Ndao hiaraka hanonofy”.

Partager sur: